......::::: :::::......
 





                                    FIARAHABANA

     Raha afaka ny tsiny fanalan'ny vava, fongotra ny fondro fanalan'ny molotra dia malalaka ny lalan-kizorana ary maivamaivana ny teny hambara. Kanefa ny kibo ananan-kavana, ny loha ananan-tompo, ny omby misy filohany, ny haolo manan-tompon-dia, ny tany onenana misy loholona sy sy manam-pahefana ary ny aina an'Andriamanitra ; koa araka izany ny hasina sy ny arahaba, tsy fonosina anjoron-damba na kobonina anaty akanjo fa hatolotra izay tandrify azy avy ; sahala amin'ny masoandro miposaka avy atsinanana ka ny avo ihany no trany aloha :

     Tendrombohitra tsy mihoatra an'Ankaratra, lembalemba tsy mihoatra an'Ilempona, renirano tsy mihoatra an'Ikopa, avo tsy mihoatra an'Andriamanitra : "Ny saotra sy ny voninahitra sy ny fahendrena, sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an'Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay. Amen".(Apokalipsy 7.11). Fikasana tokoa ny an'olombelona fa ny fandaharana an'Andriamanitra.

     Fa raha ny amintsika olombelona dia ao ny Filohan'ny Nosy, tendrombohitra tsy saron-javona, havoana tsy azon-driaka, vovonana iadian'ny lohany, varivariny andrian'ny tafo, felatana-mangaika ny rantsana.

     Ao ny mpanao fanjakana isan-tsokajiny, fitarikandro vadin'ny masoandro, telonohorefy vadin'ny volana, rantsan-tanana akaikin'ny vava, fotsimbary mahita ny ao am-pon'ny vilany, rano mahalala ny ao am-pon'ny siny.

     Veloma soava tsara anie izy rehetra ireo, hikapa hahita ny tonony, handidy hahita ny vaniny, tsy havadiky ny olona itokiany, ho lavitry ny mpamahan-dalitra, tsy hitsabiki-mikipy fa sao vivy nanitrika ka bongo maso ny nahiny, sao ombalahy nifaoka an-tanimainty ka maintin'ny tany nofaohina, sao ombalahy nifaoka votry ka mavon'ny nataony. Haharitra ny mena miraviravy anie izy ary tsy hanan-java-kendrena afa-tsy izay hahabe voho ity tanindrazana malala nofinari-bavan'Andrianampoinimerina ity ; ho tahaka ny akondro eny andrefan-tanàna anie izy : tazanina haingon'ny saha, hatonina fialokalofana, andrandraina fihinam'boa ary raha tonga ny andro hahafatesany, (ho vy vato anie ny ainy) hanao fahafatin'akondro : maty mamela solofo ; hanao fahafatin-tantely ; maty mamela mamy.

     Ao ny foloalindahy, ny bekotromaroholatra, tsy toa avahana arahaba noho ny betsaka ; ireo no ampinga aron'ny loha, tandroka aron'ny vozona, lefo-maranitra aron'ny vady aman-janaka, manao salaka fohy rambo sy sakafo amabany foitra hampandry fahalemana ity tany ity ; hotanin'Andriamanitra anie izy fa kiady aron'ny voly, manda aron'ny tanàna, hady lalina tsy azo ivikinana, kitro ifaharana, ala ikirizana ; tsy haratry ny an'ny an-tanan-tena na ho voan'ny tanan'olona, hieren-doza, hifidian'antambo, mandroso handavo lahy, miverina hitondra babo, eto an-toerana : kofehy mando mitam-panjakana.

     Ao ny vahoaka, valalabemandry, ny vodiahitrarivo : kijeja miara-mita, valala miara-manidina, akanga miara-manjohy, angady lava lela mahamaintimolaly ny tany, tsy havahana tahaka ny ketsa, tsy hosoritana tahaka ny volo, tsy hasiana antoriny tahaka ny hisatra, tsy hasiana hasiny toy ny voasary na ankolafiny tahaka ny akondro, tsy hatao antsipiriany tahaka ny didy savony fa daholobe tsy ankanavaka, veloma soava tsara hahatadidy ny didy aman-dalana hiadanana eran'ny varavarana.

     Ary indreto isika mianakavy, indrindra fa ianareo lafin-kavan'ny "zazavavy", miarahaba anareo izahay fa fodilahy mamangy railovy isika : ny mpamangy misiatsiaka, ny vangiana mihirahira, samy faly no hevitr'izany ; ny tananay no fohy ka tsy maharay anareo rehetra, ny fonay kosa lava mahahenika izao mpianakavy rehetra izao koa atolotray anareo tsirairay avy ny"manao ahoana" vaventiventy sy ny akory fantimpantenana.Isika mianakavy anie tsy ho vaky vovona fahavaratra, tsy ho vaky vilia fararano, tsy ho rovi-damba ririna, hambin-java-manasatra, be aza zaza tinaiza, vanona biby ompiana, vokara voly ambolena, angidy tsy tian'ny faty, ho mamay tian'ny vola.Arahaba e tratry izao andro iravoravoan'ny fo izao !

     Misy manao ny fiarahabana ny mpianakavy aorian'ny fialan-tsiny avy hatrany, izay vao asesiny ireo arahaba isan-tsokajiny.
     Ambaranay etoana fa niniana natao lava ny fialan-tsiny sy ny fiarahabana, na dia tsy izao aza no atao hoe feno sy ampy, mba hahafantarantsika fa manan-karem'pitenena ny Malagasy. Noho izany dia tsy ho hary voatanisa avokoa akory izy rehetra ireo rehefa tena mikabary (manalava fotoana loatra raha teo izany ).



teo aloha|...:::~~°°°!!!°°°~~:::...|tohiny>>>

 

Copyright © 2003 - kabary-malagasy.ht.st- Ny zo rehetra dia efa voatokana. [Ny mpanamboatra ny tranonkala :mijahasina]