|
MANOMBOKA IZAO NY KABARY
Mody mifanilakilaka eo ry zareo ray aman-dreny tokony hiteny fahiny vao mitsangana ny anankiray. Amin'izao fotoana izao, indrindra fa eto Antananarivo, avy hatrany dia mitsangana ny mpangataka ka mandahatra :
Tompokolahy sy tompokovavy,
Milaza miara-mahita aho raha manambara etoana fa hanorim-panambadiana no ivoriantsika eto anio. Mitsangana eto aho ary ny fijoroako dia mety maha te hanontany hoe : Fa ry zareo ireo angaha tendrombohitra tsy manam-bato sa kijana nilaozan'ombalahy no dia tanora fanahy ity mitsangana ?
Tsy izany anefa fa izy mianakavy ireto hadivory tsy ilaovan'ambiaty, kisolosolo matevina ampanga, tanety tsy orin'avoko, vato ravahan-tsahondra, farihy ivelaran-tatamo, fianakaviana maro olomanga, zanak'omby tsy ampianarin-domano raha kabary no halahatra ; saingy noho ny amin'ny hoe : tsy mety raha sady mifofotra no mively vy, tsy mety raha sady miantso no manoina dia tsy tsara raha sady tompn-janaka no hikabary.
Kabary moa no efa mahavery anarana azy ity, kanefa raha ny marina dia tsy kabary velively fa dinidinika ambany trano.
Raha kabary tokoa mantsy no hatao dia hipetraka aho fa tsy hahasehaka sao dia sendra ny hoe : ianao varatra mirefotra, izaho vatolampy ampy handihizany ; ianao valala mikitro-piavy, izaho lohasaha ampy handriany ; ianao havandra miraraka, izaho tampon-tanety ampy hielezany ; ianao trondro mahay antsitrika, izaho tandroho tsara ladina ; ianao onja vaventy, izaho lakana tsara fivoy ; ianao zanaky ny efa mangotraka, izaho taranaky ny efa mandevy ka tsy misy matahotra izay mangorovitsika ;
tsy ho sahiko izany andrao aho volon-katsaka misetra tadio : misetra ny tsy eran'ny aina, basy mihaiky varatra, jiro tongo-takotra mitsilo masoandro : ny resy ho leoko ihany fa ny henatra olona no tsy ho zakako.
Tsy kabary ary no hatao resadresaka tsotra, tapatapaka ahitra, toritory ravina.
Raha sanatria nefa ka hazoninareo ho mpikabary ihany aho, hataoko ahoana moa fa dia mpantsaka rano mahay mikabary aho : mahay ihany fa ambanin'ny siny, tretrok'akoholahy : mena fa ambany ny mena, fantsin'akoholahy : maranitra fa hafaladia. Enga anie ny resaka anio tsy ho adin'akoholohay vorombato : ny mahery torotoro, ny resy disadisaka, fa ho adin'ombalahin'ny mpianakavy : ny mahery tsy hobiana, ny resy tsy akoraina ; hatao tolona amin-tsakaiza tiana : aleo lavony toy izay mahalavo azy.
teo aloha|...:::~~°°°!!!°°°~~:::...|tohiny>>>
|
|
|