......::::: :::::......
 





                                                         FIALAN-TSINY

     Koa mitsangana eto aho, tsy ditrako na haitraitrako fa noho ny entana natao tsara fehy sy ny teny natao lany era, nomen-dry tompokolahy halahatro ka alahatro, foin-dry tompokovavy harindrako ka teny mantsy tsy mba rombahina, ny teny tsy ifanosehana fa ny mandrombaka ny tsy an'ny tena, mitafy lamba imason'ny tompony, miteny lango imason'ny vary, mialoha andriana tahaka ny tehina, mialoha masoandro toy ny kintana ka mahakely vody saonjo, mahafohy tera-bary, mahabotry terak'omby, mahafaty herotrerony, mahafolaka an-dantony, mahakizo fara. Koa na dia foy ho ahy aza ny hiteny ary omena ahy ny handahatra etoana dia iaraha-mahita tahaka ny tafika andrefan-tanàna fa mpiandry omby volavita aho ; tsy tompony fa mpamerin-doha.

     Miala tsiny aho fa ny ombalahy raha hitrena miala saron-tandroka, ny akoholahy raha haneno miala kopakopaka, ny reniakoho raha hanatody miala faditra ahitra, izaho kosa hiloa-bava ka manao azafady.

     Ny miteny tsy afa-tsiny mantsy, tahaka ilay naka rivotra tany Imamo ; rivotra no notadiavina, atodin-tazo no nenti-nody, tahaka ilay banga nifiaka fary : ny natao hampandopando ny tenda no nampitsovaka ny akanjo-nify, tahaka an-dRafotsibe nihinan-kitoza : tsiro no notadiavina ka ivy no raraka.

     Ny tendrombohitra fandrian'ny zavona, ny lohasaha fandrian'ny moka, ny sakeli-drano fonenan'ny voay fa ny miteny fandrian'ny tsiny, fa tahaka ny mamoaka omby arivo sy miandry omby zato ka tsy ilaozan'izay hivily, tsy ilaozana izay hania, tory hisatr'Imamo : tsy ilaozan'izay hanjilatra, atody akotrika : tsy ilaozan'izay handamoka, tany raofina tsy ary ho ao an-karona, ny didiana tsy ho ary mitovy, ny kapaina tsy ho ary somaka, tanàna maro tsy ilaozana adala, teny maro tsy ilaozana ota, kabary zay alahatro eto, tsy Ikala adala am-boditenona akory ianareo : tsy hitohy tapaka tsy hanala kambana ; toko tapaka, vilany mitongilana, izay tsy mety arenina

     Miala tsiny aho, tsy noho ny tsy fahaizako miteny ihany fa noho ny ray aman-dreny : ny fotsy volo amin'ny tany, ela nihetezana ka lava volo, nitoto nahafotsy, nahandro nahamasaka, nahaloaka antsakany, nahaloaka andavany, vato nasondrotry ny tany, zavona naingain'ny rano, sanga naingain'ny volo, kiady sy voninahitra no sady tandrify sy tompon'ny teny ;
     eto ny zokibe toa ray, tabia sy rehareha, loharano tsy dikain'ny zinga, zoky tsy songonan-toerana, tsy ialohava-mandeha, tsy salovanimiteny, ny handimbyy anaran-dray aoriana;
     eto ny olo-mitovy saranga amin'ny tena, ombalahy be tandroka tsy mifidy tany hiadiana, angady tsara ofana tsy mifidy tany hotrandrahina;
     eto ny zandry mahaleo mahalasa rehetra, sakely mihoa-joro, saonjo mihoatra akondro;
     eto ny zaza madinika, kolokolo dimbin'ny vary, solofo dimbin'ny ala, vorom-panova hena, taninketsan'ny firenena;
     ary eto ny andriambavilanitra, atao ampara filazana nefa ny faratampom-boninahitra, tsipelamanga ravaky ny tanety, sahondra ravaky ny vato, rado ravaky ny vozona, tatamo endriky ny farihy, landy ravaky ampela, kibo nitoerana, kitapo nifonosana, saronankarona niraketana, loharanom-pirenena sy loharanon'olombelona, mandeha haingon'ny lalana, mitoetra ravaky ny trano.

     Hiteny alohan'izany rehetra izany ka miala tsiny fa akanga mandalo vorombola ka mipotra-tsanga fa ambanin'ny olona ; tsy rainy aho fa zanany, tsy zokiny fa zandriny ; angady no filanjako, sobika ny fivimbiko, irakiraka no anjarako, tsy ntaolo fa zanak'antitra, tsy olona ela fa nahatadidy.

     Alako ny tsiny fa tahaka ny tamberintany ka aza manody izay azony : ny atsimo mivadika ho avaratra, ny avaratra mivadika ho atsimo ; ny masoandro miposaka ohatran'ny masoandro milentika ; koa ny olona mifoha hiasa izy mibonoka hatory ; nony taitra avy eo indray, taitra irery ka mamaky takotra ; mandeha tsy mahavoa-dalana, mitoetra tsy mahavita inona ; miasa ho an-tena mitonantonana, miasa ho an'olona mitahontahona ; mitady tombony ka atombiny, mila sitrany ka asitriny, izay rehetra tsy mety avokoa.

     Alako àry ny tsiny fa fandrodahy an'asa ka ny akifika ihany no mahatsara azy ; avarina any Ikopa, hikapa any betsiboka, hibobobobo any Farahantsa, hifaraysaka any an-dranomasina ; hilevina any am-paran'ny lalina ka tsy hiboika ho loharano mafana, tsy hirongatra ho horohorontany, tsy hitroatra ho volakano fa ho levona tanteraka ; dia tsy hisy intsony irony ahiahy aman'aro riaka hoe : Raha miverina ririnina hikarainkon'ny fanala, raha miverina lohataona hakianan'ny hainandro, raha miverina fahavaratra hopaohin'ny riaka, raha miverina fararano hofirain'ny antsy.

     Kanefa teny ihany izany ka teny ary resaka ihany ka resaka ; raha ho hariva andro hamira vava ny tsiny eto isika kanefa ny atao tsy metimety be ihany, tsy mandeha amin'ny marinasy ny hitsiny, ho somorina miharatra isika ka ho tsara hateloana, boka mievina ka afa-drofy anio fa mivindina indray rahampitso ; ny atao ihany no antony. Mahaiza àry mitondra tena : Aza miringiringy tahaka ny lohalika ho vasoka ; mandefera tahaka ny leferana ho mandina ; nify sy molotra ka izay miantraitraika ihany no afaka aloha ; aza lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao antampon'ny loha. Izay no tsy ananan-tsiny.



teo aloha|...:::~~°°°!!!°°°~~:::...|tohiny>>>

 

Copyright © 2003 - kabary-malagasy.ht.st- Ny zo rehetra dia efa voatokana. [Ny mpanamboatra ny tranonkala :mijahasina]