|
Eny àry re, tompoko, fa dia eo izany ny fotoana, amin'ny roa sy fahefany
, hahazahoantsika mandroso amin'ny roa sasany .
- Eny àry re tompoko.
Mpikabary am-panambadiana sy ny olona maka azy hikabary ireo mifanafatrafatra ireo.
Ny iray amin'ny zokiolona ao amin'ny fianakaviana no mikabary fahizay fa izany no ananam-bonihatra ; olona ivelan'ny mpianakavy kosa alaina amin'izao fotoana izao ;
mihena mantsy ny isan'ny olona mahatana ireny riba tranainy ireny ka saika zatovo vao misondrotra avokoa no hany sisa afaka hikabary ankehitriny.
Izany indrinda no nivoadivoadian'ny eritreritra hoe :.
Dia honerako ny lasa !
Tsy hikasa
Fotsiny ihany
fa ho sarotiny aho hatrany
sy hitaona olo-maro
ho saropiaro
ny aminao
ry tenindrazako! Hatrizao
n'aiza n'aiza dia ho teniko
sy diam-peniko
an-taratasy
ny fiteny malagasy
Mba hiarovana ny voninahitry ny fianakaviana tsy manan-kavana hikabary dia ho hitanao amin'ny tenin'ny mpikabary nalaina ny fahaizany manodidina ny resaka.
Tonga ny andro sy ny ora nifamotoanan'ny fianakaviavana roa tonta Miangona na mitandahatra eo akaikin'ny trano hangatahana an-dRazazavavy Razazalahy sy ny fianakaviana manotrona azy. Olon-dehibe iray no
mampandroso ary dia misahirana fatratra tokoa ireo vantanina manome toerana ireto vahiny hajaina.
Maro ny fianakaviana efa mihezaka hiala amin'ny "fotoan-gasy" hany ka saika marim-potoana avokoa izy rehetra.
Rehefa samy mahazo toerana dia mitsangana ny mpikabarin-drazazalahy ka manao hoe:
-Azafady tompoko fa izao isika mianakavy izao teo no mby amin'ny hoe: vato ambany riana: tsy mikorontana fa mifanamboatra toerana; ary satria efa milamindamina isika izao, koa noho ny fotoana tsy azo hazonina, noho isika zarain'ny tokantrano
mahalana nefa ny dinika misimisy ihany, dia manontany izahay fa aleo manontanitany foana hiomehezana toy izay manaonao foana hotezerana:
mahazo mandroso ve sa mbola misy andrasana ?
Taloha ny fanontany dia hoe : Vory ve ny mpianakavy sa mbola misy andrasana ? Vivitin'ny mpamoaka ny teny hoe vory matetika ka valiana sarotra toy ny hoe : tsy mbola vory izahay mianakavy ; raha izao no atao hoe izahay mianakavy dia mpianakavy lany taranaka, tsy manan-tamingana, rano ritra. Raha izahay mianakavy no vory, kianja no sahaza anay,
i Mahamasina no antonona anay.
Ho valin'iry fanontaniana voalohany àry dia mamaly ny mpamoaka hoe:
Ny omby indray mandry tsy indray mifoha, tongo-balo tsy miara-mamindra, tany raofina tsy ary ho an-karona; kanefa na izany aza efa eto ny angady mahatapaka ahitra, eto ny antsy mahaoro-bilona, eto ny andrianjahonoanin'ny fianakaviana : atrehi-mahaefa, iambohoa-mahavita. Ary na mbola misy aza ny tratra aoriana fa fotoam-bita tsy mahaleo ny sampona,
hataontsika matson-dRainimazava ka izay tonga dia manao, kabarin-dRainisalama ka ny sisa manaraka ihany.
Alohan'ny handrosoana nefa dia aoka hanomboka amin'ny fanompoam-pivavahana isika.
Mitsangana izay olona tandrify izany ka mitarika ; matetika dia avy amin'ny fianakaviana vantanina no mitarika ny fanompoam-pivavahana fohy.
||tohiny>>>
|
|
|