......::::: :::::......
 





     Hoy ny Razana : Ny havozo hanitry ny ala, ny rambiazina hanitry ny tanety, ny voasary hanitry ny saha, fa ny kabary kosa hoy izahay hanitry ny fotoam-pivoriana.

     Ny vilany mitongila adidy ny toko, ny basy tsy mipoaka adidin'ny vanja, ny omby mahia adidin'ny fahitra, ny akoho tsy maneno adidin'ny fisoko, ary ny kabary raha mati-maso adidin'ny malagasy tompony.

     Ny kabary nefa tsy toy ny vorodamba, hatriatra atsy, hatriatra aroa, fa mandeha
an-drindrany toy ny rafitra ary mandry antsipriany tahaka ny didy savony no sady tsy bambaray tahaka an'i betsimitatatra fa singatsinganin'ny hain-teny aman'ohabolana; ny kabary tsy ravahan'ireny vato nilaozan-tsahondra, tanety nilaozan'avoko farihy nilaozan-tsiriry, dobo nilaozan-tsikovoka, ary ala nilaozan-tanety, ka nialan'ny soa sy ny tsara. Kanefa na soa aza ny kabary; raha tsy hay tsinona tsy misy antony; fa toy ny fary fiahin'ny banga, tahaka ny penina anoratan'ny tsy nianatra. Ka aza atao hoe inona iny na tsy hay aza, fa ny teny sy fiteny no iray amin'ny maha firenena ny firenena; ary ny kabary no iray amin'izay maha malagasy ny malagasy.

     Ny malagasy sy ny fahaiza-mikabary aza dia mbola azo antsoina hoe voahangy mitohom-bolamena, lopotra migalom-bolafotsy, solohoto sy firaka, harahara sy vy, tatamo sy voahirana ary rano sy vary.

     Fatratra ery izy izany! mba hahazoanao manandrana azy dia ity misy torolalana tsotra, atolotro anao amin'ny alalan'ity tranokala ity.

     Tsy mihambo ity tranokala ity ho tonga lafatra ny tena, ny marina aza dia sila-bato fanao tambin-toko,tantely fanampin'ny aloka voankazo fanao hamohamo nefa mino anay fa ahitanao hevitra sy hanovozanao saina hahatonga anao ho isan'ny MAHAY MIKABARY

     Ity tranokala ity moa dia niainga avy amin'ny boky izay nosoratan'i Atoa RAKOTOJAONA Job izay akon'ny 25 taona nikabariany (1957 - 1982).














Copyright © 2003 - kabary-malagasy.ht.st- Ny zo rehetra dia efa voatokana. [Ny mpanamboatra ny tranonkala :mijahasina]